“Tsy manakana ny hisian’ny fifidianana izahay, fa mila mitandrina ihany isika. Tokony hialohavana fifampiresahana io fifidianana io. Tsy olana izay anarana iantsoana izay fifampiresahana izay, fa ny fisian’izay fifampiresahana izay no zava-dehibe mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana.” Io indray no fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, manoloana ny fandrisihan’ny firenena frantsay tamin’ny alalan’ny ambasadaorony ny hirosoan’i Madagasikara amin’ny fifidianana.
Fantatra fa manahirana ihany ny tontolo politika misy eto Madagasikara amin’izao. Hanahirana raha izoa no miroso amin’ny fifidianana tsy misy fifampiresahana. Mahatsapa ny Otrikafo fa karazana fanerena ireny ataon’ny firenena frantsay ireny mba hirosoana amin’ny fifidianana. “Nefa amin’izay fanerena izay no mila mieritreritra tsara isika hoe: tena hitondra tombontsoa ho antsika tokoa ve raha izao zava-misy izao no hirosoana amin’ny fifidianana?”, hoy izy. Mila mandinika tsara ny Malagasy, na eo aza ireny resaky ny ambasadaoro frantsay ireny.
Tsapa sy hita fa mandrisika mafy ny hirosoan’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana fifidianana ny firenena frantsay. Satria milaza ry zareo tamin’ny alalan’ny ambasadaorony fa vonona hanampy amin’ny vola amin’izay fifidianana izay. “Ho an’ny Otrikafo, azo adika izay hoe: efa nahita olona azony antoka ny firenena frantsay hiaro ny tombontsoany eto Madagasikara”, hoy ihany izy.
Naveriny indray fa matetika aorian’ny fifidianana hatrany ny krizy eto Madagasikara. Raha izao no miroso amin’ny fifidianana i Madagasikara, azo antoka ny hisian’ny fikorontanana. Nefa fantatra tsara hoe: iza no mahazo tombony rehefa mikorontana i Madagasikara? Ny vahiny no hita hatrany hoe mahazo tombony rehefa mikorontana ny firenena.
R. Nd.