Tsy nanadino ireo anaty fahasarotana. Niarahaba sy nirary soa ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine sy ny birao maharitra eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza, omaly, ireo mpiasa eny amin’ity Andriampanjakana ity.
Nanaovana jery todika tamin’izany ny asa vita sy ireo vina koa fanatsarana mbola hatao eo amin’ny fiaraha-miasa. Nirary soa sy nitsodrano ny rehetra kosa ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. “Aoka isika hivavaka ho an’ireo traboina sy ireo namoy havana sy namana amin’izao fandalovan’ny rivodoza eto amin’ny firenena izao“, hoy izy.
Nandray ireo komity mpitantana ny Jesosy Mamonjy koa ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, omaly. Niarahaba sy nirary soa azy ireto mpino ireto. Samy miandrandra filaminana sy fitoniana amin’ity taona ity ny andaniny sy ankilany. Na eo anivon’ny fiangonana izany na koa ny firenena, manontolo. “Tanjona iray : ny fitoriana ny vaovao mahafaly“, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena.
Synèse R.