Noho ny fahantrany, nokasain’ny renim-pianakaviana iray hotaperina ny ain-janany tao Morafeno-Toamasina, ny alin’ny alarobia teo.
Nipetraka teo amin’ny sisin’arabe, sendra nandalo teo anoloan’ireto telo mianaka mpangataka an-dalambe ny sekretera jeneralin’ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina. Tsikariny tamin’izany fa tsindrian’ilay reniny ary tereny eo amin’ny vavaorony ilay zanany lahikely. Matory eo akaikin’io ramatoa io kosa ny zanany iray hafa izay efa nalemilemy. Teo akaikin’ny trano fisakafoana ireto telo mianaka ireto. Nanambara ilay mpivarotra fa nomena sakafo ho an’ireo zanany ity renim-pianakaviana ity saingy fihininy samirery izany. Nanamafy ireo manodidina nanatri-maso fa kasain’ilay reniny hotaperina mihitsy ny ain-janany eo am-pelatanany. Niantso ny polisim-pirenena ilay nahita ny trangan-javatra. “Tsy afaka hamelona ireto zanany naterany mihitsy io renim-pianakaviana io ka atolotra ny fikambanana mpikarakara ankizy tsy misy mpiahy ny zanany”, hoy ny Inspektera Faustin eo anivon’ny FIP ao Toamasina. Hotsaboina noho ny aretin-tsaina mahazo azy kosa ilay renim-pianakaviana.
Zaza 22 tafaverina
Etsy ankilany, nirongatra izaitsizy ny fahaverezan-jaza noho ny olana samihafa eo anivon’ny tokantrano misy azy ireo tsirairay avy ho an’ny ao Toamasina. Nanomboka ny taona 2023, efa nahatratra 23 ireo zaza naharaisan’izy ireo fitaranana fa very. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Hatramin’ny omaly kosa, iray amin’izy 23 ireo sisa no tsy mbola nalain’ny fianakaviany. “Voatery notanana eny amin’ny ivontoerana fitaizana ankizy mania io zaza io hatreto”, hoy ny kaomisera, misahana ny ady heloka bevava sy fiahiana ny reny sy ny zaza tsy ampy taona, Rajaobelina Herizo.
Sajo/ Tsiferana R.