Nisy ny fanadihadana natao momba ny fari-pahaizan’ny mpianatra sy ny mpanabe teny amin’ny sekolim-panjakana (EPP) 800 ny taona 2016 ka hatramin’ny 2021, teny anivon’ny kaominina 548 niarahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena.
Nivoitra fa 4% amin’ny mpianatra kilasy T4 nanaovana fanadihadiana no nahamarina ny 80% amin’ny fanontaniana napetraka ho an’ny taranja kajy sy ny teny frantsay. Mpianatra sivy amin’ny 10 no tsy mahay mamaky sy mahazo akory ny lahatsoratra fohy amin’ny teny frantsay natao ho an’ny ankizy 10 taona. 4% monja no nahavita nanao izay. « Nivoatra ny fari-pahazain’ny mpianatra fa mbola ambany ny vokatra azo tao anatin’ny dimy taona », hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle teny Ankorondrano, omaly, nandritra ny fizarana ny valin’ny fanadihadiana natao. Ho an’ny mpianatra T1, mahatratra 5,4% no nanana ny fahaizana farafahakeliny amin’ny taranja kajy sy ny teny frantsay. Momba ny mpampianatra kosa, 4% ihany amin’ireo mpanabe no mahafehy ny taranja sahaniny any an-dakilasy. 44% tamin’ireo mpampianatra nisitraka fiofanana nialoha ny fandraisana ny asa fampianarana. Rehefa nanao fitsidihana tampoka tany an-dakilasy ny mpanao fanadihadiana, 55% tamin’ireo mpanabe ihany no tratra tao an-tsekoly raha 46% no hita tao anatin’ny efitra fampianarana. 40% amin’izy ireo mieritreritra fa tsy voasazy ny mpampianatra na tsy tonga miasa aza.
Tsy zarizary koa ny fotodrafitrasa handraisana ny mpianatra sy ny toeram-piasan’ny mpanabe, hoy ny valin’ny fanadihadiana. 0,4% amin’ny sekoly no manana jiro, 2% misitraka “internet” ary 23% amin’ireo EPP no manana fitaovana entina miasa. Nanome tolo-kevitra amin’ny tokony hijerena manokana ireo sekoly any ambanivohitra ny teknisianina. Ilaina koa ny fanofanana ny mpampianatra sy handrisika ireo any an-dakilasy havitrika amin’ny fanabeazana. Efa nampiakarina ho 20% amin’ny tetibolam-panjakana no natokana ho an’ny fanabeazam-pirenena. Izany no midika fa laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana ny fanabeazana.
Vonjy A.