Tatitry ny BNGRC… 16 ireo olona maty vokatry ny rivodoza

Niakatra ho 16 ireo olona maty vokatry ny  fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny firenena.  Mahatratra 16 ihany koa ireo tsy hita popoka nandritra izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny BNGRC, omaly. Mahatratra 55 421 ireo olona traboina manerana ny Nosy, vokatry ny  fiakaran’ny rano sy ny fahapotehan’ny trano fonenana.  12 665 tamin’ireo nafindra toerana ao anatin’ny faritra miisa 15. Mahatratra 25 678 ny olona notsinjaraina amina toerana samihafa miisa 100.  Betsaka ny fotodrafitrasa simba sy potika vokatr’izany.  Tanimbary miisa 13 356  tondraky ny rano.  500 amin’ireo simba sy potika. Mahatratra 164 ireo sekoly nahazo takaitra nandritra izany. 45 ireo sekoly dibo-drano ao anaty faritra valo manerana ny Nosy.  35 amin’ireo ao anatin’ny faritra Analanjirofo. Dimy ao amin’ny faritra Diana.   Efatra ao amin’ny faritra Sava ary iray ao amin’ny faritra Vatovavy. Mahatratra 5374 ireo mpianatra tsy maintsy nafindra toeram-pianarana. Toeram-pitsaboana CSB I miisa valo ihany koa simba. CSB II miisa sivy sy  CHRD iray potika.  Mahatratra enina ireo lalana tapaka ao anatin’ny faritra Boeny, Sofia, Analanjirofo, Betsiboka ary Vakinankaratra.  Marihina fa faritra miisa dimy nahazo takaitra mafy nandritra ny fandalovan’ny rivodoza.  Anisan’izany ny faritra Menabe, Sofia, Boeny, Melaky ary Atsimo Atsinanana. Efa nisy ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana ho fanampiana ireo traboina any an-toerana.

Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: