Tetikasa Produir… Anisan’ny miaro amin’ny tondra-drano ireo fotodrafitrasa vita

Mitondra ora-mikija manerana ny Nosy ny rivodoza Cheneso. Tsy afa-bela amin’izany ny eto Antananarivo, miantraika  any amin’ireo fotodrafitrasa maro mitantana ny fivarinan’ny rano.

 Nisy ny fandrindrana mialoha ny asa hatao, mba hampihenana ny fiantraikan’izao tranga vokatry ny toetr’andro ratsy izao. Isan’izany ny fotodrafitrasa nataon’ny Tetikasa fampandrosoana ifotony sy fiatrehana ny loza eto Antananarivo (Produir), izay tsapa tokoa ny tena nilana azy, amin’izao ora-mikija izao. Toy ny nanamafisana ny vahilava manamorona ny reniranon’Ikopa sy Sisaony, ka nirefy 3,2 km ny tamin’ny sisiny havanana. Tena miaro tokoa ny lemaka eto Antananarivo amin’ny tondra-drano ireo fotodrafitrasa vita ireo.

 Nohamafisina ny manodidina

Miantraika eto Antananarivo koa ny fihotsahan’ny tany sy ny sahandriaka any amin’ny faritra manodidina. Toy ny vahilava nihotsaka any Ambohimangidy Ampitatafika, mahatratra hatrany amin’ny 50 metatra. Manoloana ity loza mitatao ity, nanapa-kevitra ny Produir nanao vonjy rano vaky, nanarina ny vahilava simba. Efa am-perinasa koa ny fanarenana ny manamorona ny reniranon’i Sisaony, ny reniranon’Ankady any Ankeniheny, Tanjombato, ny lakandrano Ankady any Andoharanofotsy, ny By Pass. Hohamafisina koa ny vahilava Ikopa any Ankadiavo Alasora sy ny eny amin’ny sampanana (Art malagasy) mankany Ambohitrimanjaka.

Hita fa nisy fiantraikany ny fananganana fotodrafitrasa natomboky ny Produir tamin’ny dingana voalohany ny taona 2022. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana sy fanarenana ny lalankely sy tetezana eny Antetezana Afovoany sy Ilanivato, nahafahan’ny mponina nivezivezy foana na niakatra aza ny rano amin’izao fotoana izao.

 Tanàna vaovao eny Andavamamba

Hanomboka tsy ho ela ny fanarenana ny lakandrano C3, mirefy 12 km, izay hatomboka amin’ny fanalana ny fotaka. Mahakasika boriborintany telo ato anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ity asa ity, izay hanafaingana ny fivoahana sy ny fivarinan’ny ranon’orana.

Asa hatao koa ny fananganana tanàna vaovao eny Andavamamba, ho an’ireo mponina esorina voakasiky ny tetikasa. Nanome toky ny mpandrindra ny Produir, Rasolofojaona Haja, fa « hovitaina tokoa ity tanàna vaovao ity, ho tombontsoan’ny mponina, sady ahafahana manomboka ny fanadiovana ny lakandrano C3 ».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: