Misafotofoto, tsy hita izay handraisana azy ilay raharaha politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Atao hoe mafana na mangotraka kanefa toa mangingina sy mangatsiatsiaka manaraka ilay toetr’andro. Ny filoham-pirenena kapiten’ny ekipan’ny andaniny, manohy ny asany, toa tsy mihevitra ny disadisa politika miandry azy aty ambadika. Iretsy milaza ho mpanohitra, milomay mamorona ity karazana hetsika, manozongozona ilay fitondrana. Toy izany hatrany, mifampiandry amin’ny kihon-dalana, hifamelezana ambadika daholo.
Handeha ary hozohintsika akaiky ny momba ny kajikajy politika isan-karazany izay tsy misy mijery ny tombontsoam-bahoaka, na kely aza. Malaza ny « Lera », fotoana hijoroana hoe ! Mipetraka anefa ny fanontaniana. Hijoro amin’ny inona ? Ny ankamaroan’ny mpitarika sy ny nanangana ilay vovonona aza mpanao politika efa nifandimby nitondra avokoa. Izany hoe, efa namarina an’ity Madagasikarantsika ity tany an-davaka daholo. Izy no sahy hilaza fa ny fitondran-dRajoelina ihany no fositra amin’izao ? Samy tsy nisy nitondra izany fanatsarana ny fiainam-bahoaka izany. Mpikarama an’ady sy mpamadibadika palitao izy rehetra. Tsy vitan’izay, tsy takona afenina fa efa manana firehana politika sy olona hotohanana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena daholo. Hatrizay tsy hita fa nihinana sy nitsetsitra ilay Malagasy efa fadiranovana ka izao vao hoe hiady amin’ny jadona sy ny tsy rariny.
Na izany aza anefa, tsy aritra ny tsy hiteny ny fomba amam-panaon’ilay mpitondra, ankehitriny. Tena misy ny ezaka vita, saingy mbola maro no tokony hatao. Ilay fiainam-bahoaka manokana aloha dia tena mahakivy ! Midangana ny vidim-piainana. Manjaka ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny tsimatimanota kanefa ny tsindry hazolena ataon’ny manampahefana sasany efa mampiteny ny moana. Raha fintinina, tsy voafehy noho ny kiantranoantrano sy ny fitiavan-kelin’ny nampindramina toerana ny fiainam-bahoaka. Manahirana ny figiazana fahefana noho ny fitiavan-tena ataon’ny tandapa sy ny mpiara-miasa akaiky amin’ny Filoham-pirenena. Ity farany izay zary takalonaina, voafatotry ny mpiara-miasa aminy izay mamadika namana mpiara-mitolona. Tsy afaka mikofoka fa tsy maintsy manaraka ny onjany. Porofo iray, tsy azo lavina ny tsy fahavitan’ny fanovana ny governemanta, fametrahana ny governora izay any ifotony, hanampy azy amin’ny fampandaniana azy indray. Betsaka ny ilana fanapahan-kevitra hamehana sy maika, saingy maro ny volo mpanoha-randrana ka mety hivadika ilay singam-bolo mandavo ny vositra.
Tsy tokony hohadinoin’ny mpanao politika anefa, ny vahoaka no tompon’ny teny farany. Manan-kasina ny Malagasy ka tsy ny fahantrany no atakalony ny maha izy azy.
r.r