“Maro ny vokatra azo tamin’ny tetikasa USAID Hay tao”, hoy ny tompon’andraikitra. Manampy an’i Madagasikara mba hanatratra ny tanjona: “Ho rakotr’ala indray. Nofaranana tamin’ny fikaonandoha teo anivon’ny mpikambana ny tetikasa USAID Hay tao, omaly. Notanterahana teny Anosy ny lanonana. Tanjona ny hanampiana an’i Madagasikara amin’ny fitantanana ny harena voajanahary sy ho fiarovana ny tontolo iainana.”. Anisan’ny nanampy ny firenena malagasy amin’ny fametrahana ny Hay tondro ara-tontolo iainana ny tetikasa. Nitondra ny feon’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony eo amin’ny sehatra nasionaly ihany koa. Nanampy namolavola ny politika ho fiarovana ny harena voajanahary eo andalam-pahaverezana izay misy eto amin’ny Nosy. Nanampy ny governemanta malagasy hampihatra ny lalàna miaro ny harena voajanahary ihany koa izany, izay minatoka ny fandrosoan’ny firenena, hoy ny talen’ny tetikasa USAID Hay tao, Ratsisompatrarivo Jean Solo.
Nisehatra tao amin’ny faritr’i Menabe sy Avaratra Atsinanana ny tetikasa. Maro ny zavatra tanteraka fa mbola misy ny ezaka tsy maintsy tratrarina, hoy ny tompon’andraikitra. Anisan’ny apetraka ireo fitaovana ho famolavoalana ny fambolen-kazo eto amin’ny Nosy ho fanaraha-maso ny asa, mba ho rakotr’ala indray i Madagasikara. “Tokony harovana ny nofon-tany, fa tsy mijanona amin’ny fampiasana ny tany fotsiny”, hoy ny talen’ny tetikasa USAID Hay tao. Mbola vonona ny hiara-miasa amin’i Madagasikara ny governemanta amerikanina mba ho fiarovana ny tontolo iainana.
Mino ( mpianatra asa)