AFT Andavamamba : hampiranty ny kantony i Eugene Raharison

Hanatanteraka varotra fa­m­pirantiana eny amin’ny Al­liance Française Antananarivo na AFT Andavamamba, ny 7 febroary hatramin’ny 24 fe­broary 2023, i Eugene Raha­rison, mpanao hosodoko sy sary. “Sourire et Sérénité” io no lohahevitra havoitrany mandritra io fampirantiana io. “Nofidina manokana ny lohahevitra ho fanehoana ny zava-misy iainan’ny olona ankehitriny sy ny fankaherezana azy ireo”, hoy ny mpikarakara.
Mpanao hosodoko sy mpanao sary. Ireo no ahafantarana an’i Eugene Raharison. Manana ny maha izy azy ary manana ny lazany, indrindra ao Frantsa sy aty Afrika. Mbola vitsy kosa ny mahafantatra sy mahalala ny zavakanto vokariny raha ny eto Madagasikara. Izany indrindra no antony nanaovana ity hetsika ity. Tanjona amin’izao ny fizarana sy fifanakalozana amin’ny mpanao hosodoko malagasy mba hampisondrotra izany hosodoko izany sy ny mpanao sary malagasy.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: