Ambatomaro: jiolahy nangalatra jiro mandeha amin’ny masoandro

Saron’ny polisy avy ao amin’ny boriboritany faha­telo (CSP3) Antaninandro teny amin’ny fokontany Am­batomaro, omaly tamin’ny 1 ora sy 30 mn maraina ny jiolahy iray. Nahatrarana entana vitsivitsy mampia­hiahy tany aminy tamin’io fotoana vao maraina io raha nifanena tamin’ireo polisy manao fisafoana amin’iny fokontany iny izy. Niroso tamin’ny fisavana azy ny polisy ka hita tany aminy ireo jiro mandeh amin’ny herin’ny masoandro, jiro fanao am-paosy niaraka ta­min’ny pince roa. Tsy fantatra mazava hoe hataon’ity jiolahy ity inona amin’ny andro amin’ny 1 ora sy 30 mn ireo fitaovana ireo. Nentin’ ny polisy avy hatrany nihazo ny biraon’ny CSP3 izy ha­naovana fanadihadiana. Nanamafy ny polisy fa mi­tohy hatrany ny ezaka ataon’ ireo polisy manoloana ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny mponina eny amin’iny fokontany iny. Tsy eny ihany fa saika efa tapitra lasan’ny jiolahy avokoa ireo jiro mandeha amin’ny herin’ ny masoandro amin’ny lalam-baovao eto amintsika hatrany Ampasika mihazo an’Ano­sizato sy lalana mihazo an’i Fenoarivo.

Jean Claude

Partager sur: