Noraisim-potsiny teny amin’ny sisin-dalan’ny RN2 ny jiolahy mpamaky trano iray tetsy Ikianja, Ambohimangakely, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma.
Teo am-piandrasana ny fiara haka azy, tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray niaraka tamina entana maromaro tetsy amin’ ny fokontany Ikianja, omaly maraina. Sendra nanao fisafoana amin’ny alina ny zandary izay tarihin’ny lehiben’ ny tobim-paritra ao an-toerana. Nanamorona ny sisin-dalan’ ny lalam-pirenena faharoa, hitan’izy ireo niaraka tamin’ ny entana tsy mazava ity lehilahy iray ity. Nijanona, arak’izany, ny mpitandro filaminana. Nijery ny zava-nisy, hafahafa ny fihetsik’io lehilahy io. Nahitana seza efatra, bisikileta iray, sy fitaovana mandeha amin’ny herinaratra toy ny “moto pompe” roa sy taribian-jiro niaraka entana hafa. Nilaza ho miandry fiara hitondra ireo entany ireo io lehilahy io. Nofotompotorin’ny zandary anefa, nibaboka izy fa nangalariny ireto entana sarona teo aminy ireto. Nalaina tao amina trano fandraisan-danonana iray tsy lavitra ny toerana nahitana azy ireto entana ireto.
Nopitsohiny tamin’ny baraminina
Nanamarina ny zava-nisy tao amin’io trano fandraisan-dananonana io ny zandary tamin’io andro io ihany. Voamarina fa nalain’ireo olon-dratsy tao tokoa ireto entana tra-tehaka ireto. Nopitsohany tamin’ny “barre à mine” ny vavahady ka nahafahany nangalatra mora foana. Naverina tamin’ny tompony avy hatrany ireo entana taorian’ny fanadihadiana. Tsiahivina fa vao ny herinandro lasa teo, voasambotra noho ny halatra vilany niaraka tamin’ny fotsimbary ny lehilahy iray tao Ambohimangakely ihany.
Tsiferana R.