Basikety: tafiditra ao amin’ny Oak Hill Academy i Donovan

Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety mala­gasy, mandranto fianarana sy milalao basikety any ivelany. Fantatra izao fa hanohy ny fianarany sy ny fandrantoany ny taranja basikety, ao amin’ny Oak Hill Academy Rakotonanahary Donovan, mpilalao malagasy, anisan’ ny misitraka vatsim-piana­rana any Etazonia.

Manomboka amin’ity volana janoary ity izy no hiditra ao amin’io Akademia io ary afaka sady mianatra no manao basikety. Fia­na­rana anisan’ny manana ny maha izy azy ny Oak Hill, izay ahitana ireo kalaza eo amin’ny NBA, toa an-dry Kevin Durant, i Carmelo Anthony ary i Rajon Rondo.

Tsiahivina, tao amin’ny Redemption Christian Aca­demy ao New York, niaraka tamin’Andriantsarafara Lovasoa, kapitenin’ny An-koay, no nanombohan’i Do­novan ny fianarany any ivelany. Izao izy tafiditra ao amin’ny Oak Hill Academy indray. Tombony ho azy ny fahafehezany ny teny anglisy ankoatra ny fahaizany basikety ka tsy nanano-sarotra ho an’ny Akademia ny nandray azy. Reharehan’ny firenena malagasy ny fananana tanora manana tanjona toy izao ary faka tahaka ho an’ny tanora mpanao fanatanjahantena malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: