Chan 2022 – Barea sy Mambas Mozambique: miendrika famaranana kely ny fihaonana

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny lalao ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompodakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Hiady toerana ao anatin’izany, ny Barea hifandona amin’i Mozambika.

Hifantoka ao amin’ny kianja Constantine Algérie ny sain’ny mpitia baolina kitra, anio alina manomboka amin’ny 7 ora. Ho fantatra eo mantsy izay hiatrika ny lalao manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy mati­hanina “Chan 2022”. Hiady izany toerana izany ny Barea de Madagascar sy ny Mam­bas de Mozambique. Efa tonga omaly any an-toerana ry zareo Mozambikanina, rehefa nilalao tany Alger, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona.
Manana tombony aloha izany ny Barea, satria kianja efa mahazatra azy no hilalaovany anio. Efa zatra ny toe-tany sy ny zava-misy rehetra ao Constantine ihany koa ry zalahy mpilalao. Araka ny fijerin’ireo teknisianina, hiendrika famara­nana kely ity fihaonan’ny Barea sy ny Mambas ity izay firenena roa diso mifankahafantatra tsara. Mety hiafara any amin’ny fandakana ny “tirs au but” izany, raha ny fahitan’izy ireo ny heriji­kan’ny an-daniny sy ny an-kilany.
Mitovy ny isan’ny fandresena

Hatreto mantsy, nitovy ny isan’ny fandresena eo amin’ireo lalao 10 farany nihaonan’ny roa tonta. Samy nahazo fandresena 4 avy ary ady sahala 2. Na izany na tsy izany, nosakanan’ny Barea de Madagascar hatrany ny lalan’ny Mambas, teo amin’ ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Chan roa farany dia ny tamin’ny 2018 sy ny 2020, raha ny anton­tanisa no jerena.
Raha tsiahivina, ady sa­hala 2 sy 2 teo Mahamasina ny 16 jolay 2017 ary lavon’ ny Barea, 2 no ho 0 tany Maputo ny 23 jolay io taona io ihany, ho an’ny Chan 2018. 28 jolay 2019 ary resin’ izy ireo, 3 no ho 2 tany Ma­puto, teo amin’ny lalao mi­verina ny 4 aogositra 2019, nandritra ny fifanintsanana ho an’ny Chan 2020.
Mandra-piandry izany, efa salama tsara avokoa ireo mpilalaon’ny Barea. Ma­ratra kosa i Ivane, mpiandry tsatoby sy i Lau King, lohalaharana Mozambikanina.

Tompondaka

Partager sur: