EAMP: mpianatra 20 nankasitrahana

Notoloran’ny masoivoho amerikanina, Claire A Pierangelo, mari-pankasitrahana ireo mpianatra 20 mianadahy nahavita fiofanana momba ny fampianarana teny anglisy. Nandritra ny roa taona ny fiofanana narahin’ireo tanora. Tafi­ditra ao anatin’ny tetikasa “English Access Microsco­larship Program” (EAMP) no nahafahana nanatanteraka izany.
Mpianatra 20 mianadahy avy amin’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo, Lycée Andohalo, Lycée Moderne Ampefiloha, Lycée Andra­nonahoatra Itaosy ary ny Lycée Nanisana izy ireo.
Vatsim-pianarana avy amin’ny departemantam-panjakana amerikanina, tantanan’ny fikambanana TYMA ny “English Access Microscolarship Program”.
Sehatra ianaran’ireo tanora mpianatra teny an­glisy ny fahaiza-mitarika, hahazoan’izy ireo traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ ny sehatry ny asa no tan­jona.
Mpianatra maherin’ny 150.000 avy amin’ny firenena 85 no efa nandray anjara tamin’ity fandaharanasam-pampianarana ity.
Ho an’i Madagasikara, 500 ireo mpianatra, manodidina ny 13 hatramin’ny 20 taona, no efa nahazo tombony tamin’ny fampianarana hatramin’ny taona 2011.
Tenim-pirenena vahiny anisan’ny takin’ny orinasa ho voafehin’ny mpiasa ny teny anglisy. Izany indrindra no hihazakazahan’ny ankizy hianatra azy.

Tatiana A

Partager sur: