Fampianarana mozika: mitohy ny ezaka ho an’ny ANAC Analamanga

Tanjona ny fampiroborobona sy fanapariahana ny zavakanto sy ny kolontsaina, indrindra ny avy eto Madagasikara. Talenta vaovao novolavolain’ny ivo-toerana indray ny haneho ny talentany ao anatin’ity fampisehoana ity.

Tanterahina anio asabotsy 28 janoary 2023 manomboka amin’ny 1 ora tolak’andro ny fampisehoana “Anao ny sehatra”, kaonseritra tanterahin’ny mpi­anatra avy eo anivon’ny ANAC na Academie Natio­nale des Arts et de la Culture, sampana Analamanga. Ao amin’ny Tranombokim-pirenena, Ex-CNEMD, Anosy no hanatanterahana ny fampisehoana. Fotoana io hanehoan’ny mpianatra eo anivon’ity ivotoeram-pampianarana ity ny nianarany sy ny vokatry ny fandalinana nataony. Tanjon’ ity ivo-toerana ity ny fampiroboroboana sy fanapariahana ny zavakanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara.
Hetsika efa fanaon’ny mpi­tantana eo anivon’ny ANAC, sampana Anala­manga, ny manao kaonseritra iray, hanehoany ny fahaizan’ny mpianatra avy eo amin’izy ireo. Ireo mpianatra nandranto fahaizana sy nandalinana ny Gitara sy Piano no hampiseho ny fahaizany amin’io fotoana io. Hanakoako eny amin’ny tranombokim-pirenena eny, araka izany, ny feona Gitara sy Piano. Miandahy miambavy ireo mpianatra ary mahatratra 16 izy ireo tamin’ity indray mitoraka ity. Isan’izany i Fidinirina, Sergio, Chirac, Antonio, Mahery, Mameno, Fiadanana, Fenosoa, Finaritra, Nirina, Noah, Sarobidy, Fameno, Muriel’s, Mamy, Monica.
Ny zavakanto rehetra no iseharan’ity ivotoerana fanofanana momba ny zavakanto sy ny kolontsaina ity. Misy fampianarana momba ny dihy, na ny nentim-paharazana izany na ny avy any ivelany. Eo ihany koa ny fampianarana zavamaneno isaky ny karazany avy. Isan’ny sampam-pampianarana ao amin’ny ANAC ihany koa ny fianarana mihira. Ivotoeram-panofanana manana ny maha izy azy ny ANAC. Misongadina sy manam-pahaizany ny mpianatra avy ao. Porofon’izany ny Voa’art The national Orchestra of Madagascar, izay orkestra nasionaly ary mpianatra avy ao amin’ny ANAC avokoa no mandrafitra azy.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: