Anisan’ny sehatra lehibe aty Afrika ahafahan’ny mpamorona lamaody mandray anjara ny hetsika karakarain’ny Fashionomics Africa. Taorian’ny fifanintsanana ny 23 janoary teo, fantatra fa tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe Top 12 hiatrika ny famaranana Rakotoasimbola Sitraka Harimalala na i Sih Rakoto eo amin’ny sehatry ny asa famoronana lamaody sy fitafy ary haingo. Hiatrika ny « Demo day » izy 12 ireo ny 31 janoary izao. Ny volana febroary kosa no hamoahana ny anaran’ireo voalohany ao anatin’ny sokajy «Fashionomics Africa Accelerator program» misy an’i Sih Rakoto sy ny sokajy « Fashionomics Africa Incubation program».
Raha tsiahivina, tsy ny maha kanto sy ny mampiavaka ny sanganasan’ireto mpifaninana ireto ihany no tsaraina mandritra ity fifaninanana ity fa ny fahitana ihany koa ny fahaizana mampivelatra ny asa atao. Amin’ny ankapobeny, saika samy naneho ny mampiavaka ny fireneny avy ny mpandray anjara tsirairay. Na teo amin’ny fomba fitafy, na ny akora nampiasaina, sns. Na izany aza, tsikaritra hatrany ihany koa fa samy niezaka nampahafantatra ny fahafahany miatrika ny tsena iraisam-pirenena ny tsirairay.
Na manatombo aza ny isan’ny vehivavy mandray anjara amin’ity Fashionomics Africa ity, nahatsapa ny mpikarakara fa manana ny maha izy azy koa ny asa famoronana ataon’ny lehilahy ka tsy azo hamaivanina.
HaRy Razafindrakoto