Mamokatra tantely 16 000 t isaky ny fotoam-pamokarana ny faritra Matsiatra Ambony. Fahatelo aorian’i Vatovavy sy Amoron’i Mania izy raha ny famokarana tantely ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa. Taorian’Ambositra dia i Fianarantsoa indray, omaly 27 janoary 2023, no nandray ireo milina fanodinana tantely, isan’ireo fitaovana hananganana orinasa 75 efa tonga, amin’ilay tetikasa orinasa iray isaky ny distrika (Odof). “Manomboka izao isan-kerinandro, hisy orinasa apetraka isaky ny distrika iray”, hoy ny minisitra misahana ny Indostria (Micc), Razafindravahy Edgard.
Liana ny Faritra Matsiatra Ambony nizaha ireo milina fanodinana tantely sy nihaino ny fanazavana nentin’ny minisitra Razafindravahy Edgard. Nahitsy izy raha niteny ny tsy tokony hampifangaroana ny indostria lehibe sy ny Taninketsa Indostrialy. Misy tokoa ny orinasa lehibe mamokatra simenitra any Antsirabe, na ny fanaovana siramamy any Vatomandry sy Morondava izay manana ny mampiavaka azy.
Hafa no ho ireny ny Taninketsa Indostrialy, orinasa manakaiky tantsaha ny hajoro, satria eny ifotony ary tantanana eny ifotony. Natao ary ny Antso ho an’ny fitantanana ny tetikasa ho an’izay mpandraharaha vonona hitantana io orinasa madinika io. Hisy vaomiera hajoro hijery ny atontan-taratasy momba izany. Telo herinandro aorian’izao ny valiny, ka rehefa ny valiny hatao ny Fifanekena eo amin’ny telo tonta (Convention tripartite) : ny Minisitera (Micc), ny kaoperativa ary ny mpandraharaha voafidy.
Ndrina