Filoha voalohan’ny fitsarana tampony: “Tsy handroso sy hilamina isika raha tsy tan-dalàna…”

Notanterahina, omaly, tetsy Anosy ny fitsarana ma­netriketrika, nanamarihana ny fiafaran’ny taom-pitsarana 2022 ary nanokafana ny taom-pitsarana 2023. Noraisina tamin’izany koa ny fianianan’ ny filohan’ny fitsarana fandravana sy nametrahana azy amin’ ny toerany. Nambaran’ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Rakotonavalona Ranary tamin’izany fa mametraka ny lalàna ho ambony izany fanjakana tan-dalàna izany ary tokony hitovy avokoa ny re­hetra eo anatrehan’ny lalàna, araka ny ambaratongany avy. “Manomboka any amin’ny Lalàmpanorenana ka hatrany amin’ireo didy fanapahana samihafa… Resy lahatra izahay fa tsy misy fampandrosoana sy filaminana, ivelan’ny fanjakana tan-dalàna”, hoy izy.

Notsiahiviny fa betsaka ny asa vita. Eo koa anefa ny mbola miandry. Mitombo isanandro rahateo ny asan’ny fitsarana ary mbola atokisan’ny maro izany, araka ny nam­barany. Niaiky ny tenany fa sarotra ny asa nefa tsy aha­zoana fankasitrahana.

Fitoniana sy fandriampahalemana

Nirariany ny hananan’ny rehetra fiainana mirindra sy mba hiadam-pinaritra amin’ity taona ity. Hamokatra sy handroso… “Ilaina mipetraka ny fitoniana sy ny fandriampahalemana. Tsy ho azo koa anefa izany raha tsy anaty fanjakana tan-dalàna isika”, hoy izy.
Niantso ny tompon’andraikitry ny fitsarana rehetra ny tenany mba hanaja ny lalàna. “Aoka isika hitady ny marina, ny rariny sy hitsiny fa Andria­manitra ny fahamarinana ary tsara kosa ny rariny sy hitsiny”, hoy izy.

Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izany ny minisitry ny Fitsarana sy ireo lehibe sy tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fitsarana.

Synèse R.

Partager sur: