Fitandroana ny fandriampahalemana: tafapetraka ny ivontoerana fandrindrana ny hetsika ataon’ny Tafika

Ho fanakaikezana hatrany ny vahoaka sy ho fitandroana ny fandriampahalemana, tafape­traka ny ivontoerana fandrindrana ny hetsika ataon’ny Tafika eny an-kianja…

Notokanan’ny Praimi­ni­sitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Chris­tian sy ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena (MDN) sady minisitry ny Raharaham-
bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, omaly ny ivontoerana fandrindrana ny hetsik’ireo Tafika na « Centre des opérations interarmées » (COIA) eo anivon’ ny Etamazaoron’ireo Tafika Malagasy eny Andohalo. Tafiditra indrindra ao anatin’ ny vokatry ny fanavaozan-drafitry ny Tafika ity ivontoerana ity. Dingana lehibe amin’ ny fitandroana ny fandriampahalemana ny fahavitan’ny COIA satria natao handrindra ireo hetsika ataon’ny Tafika eny an-kianja mivantana ary miantoka ny fizotr’izany antsakany sy andavany no an­draikitr’ity ivontoerana ity. Ankoatra ny fandrindrana ny asa fampandriana fahalemana, mandrindra ireo hetsika fiatrehana ny loza voajanahary sy ireo ambana maro samihafa ary miara-miasa akaiky amin’ ny BNGRC sy ny sampandraharam-panjakana hafa koa ny COIA.

Mijoro amin’ny iraka hanirahana azy ny Tafika…

« Zava-dehibe ny fahafahana miatrika sy miady amin’ireo karazana ambana mety hiseho eto amin’ny firenena. Taona fanohizana ny asa ity taona ity ka mila miara-miasa hatrany mba ho tombontsoa ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Matoky ny fahai­zana miara-miasa amin’ny fanakaikezana ny vahoaka ihany koa mba hisian’ny fampandrosoana », hoy ny Prai­minisitra Ntsay Christian. Ezaka lehibe izao fametra­hana fotodrafitrasa izao satria sady maoderina no hahafa­hana manatanteraka ny iraka rehetra. Nanamafy ny mini­sitry ny Fiarovam-pirenena fa manan-danja ity ivontoerana ity satria sarotra ho an’i Mada­gasikara ny manao ny fandrindrana ireo krizy na loza voajanahary rehetra mety hiseho teo aloha fa ankehitriny ho mora ny fanatanterahana izany indrindra amin’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. « Mijoro hatrany amin’ ny fametrahana fitoniana sy ny fanatanterahana ny iraka hanirahan’ny fitondram-panjakana ny Tafika ho tombon­tsoa ambon’ny firenena sy ny vahoaka malagasy », hoy ny MDN. Nankasitraka ny Tafika frantsay koa izy nanampy hatrany ny Tafika Malagasy tamin’ny hevitra sy fametrahana ny rafitra vaovao.

Jean Claude

Partager sur: