Fivoahana any ivelany : miato ny fanamboarana pasipaoro

Niteraka resa-be teny anivon’ny tambajotra sosialy sy ny fiarahamonina ny filazana nataon’ny polisim-pirenena, avy amin’ny sampan-draha­raha pasipaoro, omaly. Nam­barany fa ireo olona marary mila mitsabo tena any ivelany sy ireo mpamita iraka voa­porofo ara-taratasy ihany no afaka mangataka pasipaoro. Mandritra ny fotoana voafetra ihany anefa izany ary hiverina amin’ny laoniny ny raharaha aorian’izay. “Misy olana ara-teknika ny masinina fanamboarana pasipaoro, antony mahatonga ity fandaminana ity. Tsy haharitra anefa izany fa mety ho iray volana raha ho ela indrindra”, hoy ny fa­nazavan’ny polisim-pirenena. Araka izany, tsy handray an­tontan-taratasy fangatahana pasipaoro intsony ny sampan-draharaha voakasiak’izany manomboka ny alatsinainy izao. Etsy ankilany, misy ihany anefa ireo mahazo izany. Raha toa ka voamarina fa mipetraka any ivelany fa nandalo an-tanindrazana nanao “renouvellement passeport” ilay olona dia mbola mahazo karne vaovao.
Toa izany koa ireo mamita iraka manokana voamarina ara-taratasy. Tsy voakasik’ izany kosa ireo pasipaoro mbola ho ela vao ho lany daty.

Henintsoa H.

Partager sur: