Tonga nitsidika sy nankahery ireo traboina teny amin’ny fokontany Ouest Mananjara, Tana IV, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Arivelo Zely, omaly. Nasongadiny fa eo anilan’ny vahoaka mandrakariva ny fitondram-panjakana ary mitondra ireo anjara biriky tandrify azy avy ny ministera sy ny andrim-panjakana isan-tsokajiny manoloana ny voina samihafa. Teto dia fitsaboana sy fanafody maimaimpoana no nentin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nomena fanafody mampitombo hery fiarovana ireo marefo, misy ihany koa ny fanaraha-maso ara-pahasalamana isan’andro eny an-toerana. Tanterahan’ny ekipa avy ao amin’ny CSB II Mahamasina satria aleo misoroka toy izay mitsabo. Matetika mpiseho amin’ny tranga toy izao ny aretin’ny taovam-pisefoana ka efa nandray ny fepetra hisorohana sy hitsaboana izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, araka ny nambaran’ny minisitra hatrany. Niara-dalana nandritra izao fidinana ifotony izao koa ny talen’ny Cammum, ny talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eto Analamanga sy ny médecin inspecteur eto Antananarivo Renivohitra. Miisa 800 mahery eo ireo traboina izay noraisina an-tanana amin’ny toerana manokana ao amin’ny Fokotany Ouest Mananjara, Tana IV.
Vonjy