Jiolahy avy nandroba : nitsoaka niafina tany amin’ny fofom-badiny

Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ilay fanafihana mitam-piadina tao Manakasikely-Manjakan­driana herinandro vitsy lasa izay. Ny talata hariva teo, voasambotry ny polisy ireo telo lahy voatondro ho nandray anjara mivantana ta­min’ilay fanafihana mahery vaika. Nandritra izay, nanoro ny namany iray nitondra ilay basy nanaovan-dratsy ireto jiolahy. Araka izany, nojerena tao an-tranony teny Ambatomiva kaominina Ambatoloana izy. Tsy tratra tao an-toerana anefa ralehilahy raha hita tao kosa ny finday nangalarina tao amin’ ireo voatafika. Vokany, ni­roso tamin’ny famotorana lalina ny polisy. Fantatra
fa nitsoaka tany amin’ny fofom-badiny any Manja­kan­driana ilay karohina. Nitohy ny fitadiavana azy ka tra-tehaka ny alakamisy teo teny amin’ny « barrage de sécurité » Ambohimahandry ity jiolahy ity. Tsy teny aminy intsony kosa ilay basy na­naovana fanafihana. Tsia­hivina fa nanafika ny alatsinainy 12 desambra teo ireo olon-dratsy. Nitondra ny raharaha teny anivon’ny mpitandro filaminana kosa ireo lasibatra taorian’izay.

Henintsoa H.

Partager sur: