Kitra – «Chan 2022»: efa mahazo 1 840 000 000 Ar ny Barea

Navoakan’ny kaonfederasiona afrikaninan’ny baolina kitra (CAF), ny vola homena ireo ekipa miatrika ny “Chan Al­gerie 2022”. Mitentina 400.000 Dolara na 1.840.000.000 Ar hatreto ny vola azon’ny Barea de Madagascar, araka ny vaovao hita tao anaty tamba­jotran-tserasera, omaly. Hi­tombo 500.000 Dolara na 2.300.000.000 Ar indray izany raha tafakatra amin’ny dingan’ny manasa-dalana izy ireo.
Marihina fa miakatra ho 800. 000 Dolara na 3.680.000.000 Ar kosa ny lela-vola ho rai­sin’izy ireo raha sanatria resy eo amin’ny lalao famaranana. Ary handray vola 2.000.000 Dolara na 9.200.000.000 Ar raha mibata ny amboara ny Chan 2022. Nakarina ho 60 % ny vola raisin’ireo mpandray anjara tamin’ity Chan 2022 ity, raha ampitahaina ny ta-min’ny taona 2020. Izao dia natao hanomezana lanja ireo mpilalao aty amin’ny kaontinanta Afrikana.
Tsiahivina fa ankoatr’ireo dia efa nahazo vola 60.000.000 Ar avy tamin’ny FMF ny Barea. Antony, fankasitrahana ilay fandresena goavana tamin’ i Soudan, tamin’ny isa 3 no ho 0 ny alatsinainy lasa teo.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: