Lalaon’ny Barea: mangataka «écran géant» ireo mpijery

Ho fetin’ny baolina kitra ny eto Madagasikara amin’ ity asabotsy ity, amin’ny fanarahana mivantana ny dingana ampahefa-dalana, hiadiana ny ho tomponda­kan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”, tanterahina any Al­gérie. Na eo aza ny fisian’ny andro ratsy, tsy manakana ireo mpankafy ity taranja mpanjakan’ny fanatanjahantena ity, tsy hilanona izany, indrindra fa miditra an-tsehatra ny Barea de Mada­gas­car, anio alina. Manoloana izany, mangataka amin’ireo orinasa mpanohana na ny fitondram-panjakana, ireo mpankafy marobe mba ha­metrahana «Fan zone» hi­sian’ny «écran géant», hiarahana miaina amin’ireo faritra malalaka eto an-drenivohitra.

Tsy ireo eto Antanana­rivo ihany ny mitalaho ny hisian’izany fa ireo any amin’ ny faritra 21 hafa manerana an’i Madagasikara. Te ha­me­rina ny fetibe, toy ny nahombiazan’ny Barea zokiny, nandritra ny Can 2019, natao tany Egypta, ireo mpano­hana ny Barea de Madagas­car.

Mandra-piandry izany, efa betsaka ireo fianaka­viana no manao fandaharam-potoana hiaraka hijery ary efa manomana sakafo sy zava-pisotro hiandrasana sy hiainana ny lalaon’ny Barea sy i Mozam­bika. Nambaran’ izy ireo fa hidina eny an-dalambe raha toa ka mivoaka ho mpandresy ny Barea, anio.

Mandresy amin’ny isa 2 no ho 0 ny Barea de Madagas­car, raha ny vinavinan’ireo mpijery nanaovana fanadihadiana. Manantena, araka izany, ireo mpijery fa ha­nome fahafaham-po azy ireo ny mpitondra fanjakana sy ireo orinasa isan-tokony, manohana ny baolina kitra malagasy indrindra ny Barea de Madagascar, ka hame­traka fahitalavitra goavambe hijeren’izy ireo ny lalaon’ny Barea, anio.

Tompondaka

Partager sur: