Milaza ho manana tany mirehitra: lehilahy iray nisoloky 20 tapitrisa Ar

Naiditra am-ponja vonjimaika ny alarobia teo ilay mpisoloky olona tao Soa­nierana Ivongo. Milaza ho manana tany mirehitra ity lehilahy 50 taona ity ary lazainy ho lafo vidy izany. Manan-danja, hoy izy, io tany io sady tsy fahita firy. Tsy vitan’ny mahay mampiresaka fa mitondra vonga-tany anaty harona mihitsy izy nentiny handresen-dahatr’ olona. Araka izany, roboka tanteraka ireo olona ka nanome vola azy. Nahatratra hatarmin’ny 20 tapitrisa Ar no azon’ilay mpisoloky. Taty aoriana, nitory teny anivon’ny polisim-pirenena ireo voasoloky. Voasambotra tamin’izay ilay lehilahy lehibe ka natao fanadihadiana.

Ni­aiky ny helony izy ary mbola tratra teny aminy rahateo ilay vonga-tany. Ny alarobia teo, niatrika mpitsara mpanao famotorana tao Fenoa­rivo atsinanana izy ka izao miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja izao. Mbola karohina ireo mpiray tendro amin’ity lehilahy ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: