Stenny, mpanakanto malagasy mivoy ny « Rock fiderana ». Anisan’ireo nanatrika ny fivoriamben’ny mpanakanto ny talata lasa teo izy. Nandritra izany no nanontaniana ny tohin’ny lalan’i Stenny eo amin’ny mozika amin’izao fotoana izao.
« Hisy vaovao maro hozaraiko amintsika mpankafy amin’ity taona 2023 ity. Hihaona matetika isika ary ho henonareo tsikelikely ny hira vaovao », hoy ny nambarany. Ho fanombohana izany, hisy ny fiarahan’i Stenny amin’ireo mpankafy azy, ny 4 febroary izao, etsy amin’ny Karibotel Analakely. « Amin’io fotoana io no hahitantsika ny endriky ny fiarahana manaraka eo. Hizara ny kanto hitaritana ny olona mankany amin’ny tsara aho, izany hoe sady mahasoa no mahafinaritra », hoy hatrany ity mpanakanto ity.
Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny famerenana ny sanganasan’i Elvis Presley i Stenny. Nankafiziny ka nahatonga azy nisafidy ny gadona rock izany. Taty aoriana dia nisafidy ny « rock évangelique » izy, izany hoe nentin’i Stenny nitoriana an-kira ny rock. « Mifototra amin’ny rock aho, fa manao hira slow, na miharo gadona hafa koa. Ilay mahatorotoro ny fon’ny mpankafy ireny », hoy izy namarana.
Zo ny Aina