Tsy ho haitraitra

Hisokatra anio amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo eto Madagasikara. Hitarika izany any Ilaka Est, distrikan’i Vatomandry ny filoham-pirenena, hotronin’ireo mpikambana amin’ny governemanta sy ny andrimpanjakana maro isan-karazany. Hazo marobe no voalaza fa hatsatoka amin’ity anio ity. Tanjona ny haha fitaratra ny ezaka ataon’ny fitondrana amin’ny adidy atao amin’ny tanindrazana sy ny taranaka mifandimby. Samy ha­natanteraka ny azy avokoa ny isam-paritra fa ho ambohipihaonan’ny herivelona rehetra kosa ny any amin’ny faritra Atsinanana.
Fotoana hanehoan’ireo nizaran’ny filoham-pirenena seza fa mbola tokam-po sy tsy mivadika aminy izy ireo ihany koa ny tahaka izao. Iaraha-mahalala fa maro ireo tsy nahari-pery sy tsy nahatanty ny mena miraviravy ka nifindra lasy tsimoramora. Efa tazana mivorivory etsy sy eroa ireo mpiara-nisaosy sasantsasany. Misy ny mbola miafinafina, kanefa mpamosavy mandeha alina aza moa misy mpahita. Ankoatra ireny, ny sahy miseho masoandro avy hatrany, izay tsy miraharaha izay etika sy fitsipi-dalao politika madio izany. Toe-tsain’ny Malagasy sasany rahateo ny sakaizan’ny mpandresy, tsy miaraka amin’ny tsy afaka.
Izany indrindra no tokony handinihan’ny mpanapa-kevitra amin’ity fitondrana ity, miroso amin’ny fanadiovana. Efa somary tara, kanefa aleo mampihena ny fahavoazana sy ny mety ho voka-dratsin’ny fitavozavozana sy fisalasalana. Mbola misy ny fanantenana raha mahay miverina sy mamerina ny fototra ny filoha Rajoelina Andry. Maro amin’ireo nametraka azy teo amin’ny fitondrana no hadino. Natao ho ambanin-javatra sy filan-draha tsy mahita fotsiny. Tsy kivy anefa izy ireny, satria nentanin’ny fitiavana ilay hoe «  Revy  Rajoelina », niezaka foana niaro, tsy nisy takalony.
Fotoana anefa izao, tsy maintsy hamondronana ny hery amim-po madio. Mila fanetren-tena sy finiavana fa tsy politikan’ny mpikatramo olona. Politikan’ny asa fa tsy fanambakana fotsiny. Tsy ho haitraitra izay hatao sy kinasa amin’ny ho avy rehetra.
Maninona moa raha hatomboka amin’ity fambolen-kazo ity izany? Efa volabe tsy toko tsy forohana no lany ka tsy ho fitsangantsanganam-panjakana fa hisy ny fanaraha-maso sy fanaovana tombana izay vita.

r.r

Partager sur: