Jiolahy 2 voasambotry ny zandary mpanao fisafoana amin’ny alina, ny asabotsy tamin’ny 3 ora maraina. Samy mipetraka eny Fasan’ny Karana Ankadimbahoaka izy ireo. Tratra nitondra fantsona plastika maromaro niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana (motsakoa) sy “pince coupante”. Rehefa natao ny famotorana savaranonando, nilaza izy roa lahy fa nalainy tamina kamiaobe nijanona tamin’ny sisin-dalana ny entana.
Saika hitadiavana mpividy eny Fasan’ny Karana. Notazonina hanaovana fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny zandary ireo jiolahy miaraka amin’ny entana halatra tratra, miandry ny tompony. Manao izay ho afany hatrany ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely, amin’ny famongorana ireo jiolahy mpanao asa ratsy amin’iny faritra iny.
Jean Claude