Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy (CSP5), omaly maraina teny akaikin’ny rond-point Ankadimbahoaka ny jiolahy iray. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra kiraro sy poketra teo amin’ny mpivarotra friperie izy ka nifanenjehan’ny fokonolona niaraka tamin’ny polisy. Mitentina 2 hetsy Ar ny vidin’ ireo entana nangalariny ireo, araka ny fanazavan’ny tompon’ entana. Nentin’ny hatezerana ireo nahasambotra ka nofatorany tamin’ny andrin-jiro ity olon-dratsy, efa saika niharan’ ny fitsaram-bahoaka. Tonga ara-potoana anefa ny polisy ka voasoroka mialoha ny hatezeran’ny olona. Nentina nanaovana famotorana any amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany izy.
J.C