Efa fantatra avokoa ny anaran’ny mpilalao ao amin’ny taranja badminton, handeha hiatrika fiofanana any Chine. Ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), araka ny fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana. Miisa 8 mianadahy ka 5 lahy sy vavy 3 no hisitraka izany. Miampy mpanazatra iray izy ireo, Rasamiarisena Georges. “ Mason-tsivana tamin’ny fifantenana ny maha mpilalao nanana ny toerana ambony tamin’ny fifaninanam-pirenena farany teo”, araka ny nambaran-dRavalison Jean Aimé, filohan’ny federasiona malagasy (FMB), omaly. Valo ny fetr’isa nomen’ny minisiteran’ny fanatanjahantena. Namaritra izay atleta alefa ny federasiona. Marihina fa nisy ny mpilalao voafantina saingy nijanona noho ny asa aman-draharahany. Anisan’izany, i Hery Zo, avy any amin’ny ligin’i Vakinankaratra.
Notsipihin’ny filohan’ ny federasiona fa tsy izay mandeha any Chine no hiatrika ny lalaon’ny Nosy ho an’ny badminton. Mbola hifanintsana amin’ny mpilalao avy eto an-toerana izy ireo. Hiaro ny voninahim-pirenena aorian’izay ny mpilalao miisa 12 mianadahy mendrika : 6 lahy sy 6 vavy.
Taranja efatra ihany no hany misitraka ity fiofanana any Chine ity: ny Badminton, ny atletisma, ny tenisy ambony latabatra ary ny fibatana fonjam-by. Ny 12 febroary ka hatramin’ny 18 jona ny faharetan’ny fiofanana. Samy hanana ny toerana hanatontosana izany ny federasiona isanisany.
Torcelin
Ireo mpilalao ho any Chine
Lehilahy : 1 – Tokinirina (MB2All) ; 2 – Keman (BaoBad) ; 3 – Haja (BaoBad) ; 4 – Ludovic (ST Joseph Mahamasina) ; 5 – Thierry (ST Joseph Mahamasina)
Vehivavy : 1 – Aina (MB2 All) ; 2 – Stephania (MB2 All) ; 3 – Miotisoa (Itaosy Club)