Sady misongadina no tena manana ny maha izy azy ny mpianatra mozika ao amin’ny Anac. Miavaka ny seho nataon’ny mpianatra ny faran’ny herinandro lasa teo.
Seho an-tsehatra roa sosona no notanterahan’ny mpianatry ny Academie Nationale des Arts et de la Cultures na ANAC, sampana Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Nandravaka ny folakandron’ny asabotsy 28 janoary, ny tontolon’ny mozika, teny Anosy. Nasongadina teny amin’ny Ivokolo Analakely omaly, ny tontolon’ny dihy. Tanjon’ity ivotoeram-panofanana ity ny hampiroborobo sy hampisandrahaka ny tontolon’ny zava-kanto sy ny kolontsaina indrindra ny eto Madagasikara.
Nentina nandrotsirotsy ny mpanatrika ny mozika malefaka nentin’ny zavamaneno Piano sy ny rotsirotsy nentin’ny Gitara. Nilaza ho afa-po ny mpijery. Niezaka nanome ny tsara avy aminy ny mpianatra nampiseho ny fahaizany. “Na eo tokoa aza ny talenta. Ilaina hatrany ny manovo sy mitrandraka izany hahatombona azy soa aman-tsara.” hoy i Mirindra, mpianatry ny ANAC. Nitondra ny anarana “Anao ny sehatra” ny fampisehoana. Hetsika fanaon’ity ivo toeram-panofanana hanehoan’ny mpianatra ny fahaiza-manaon’ izy ireo. Ankoatra ny mozika, nanome vahana ny dihy klasika ny mpianatry ny ANAC.
Lin (Mpianatra asa)