Votsotra teny am-pelatanan’ireo dahalo mpaka an-keriny ireo tovovavy roa nataony takalon’aina nandritra ny fanafihana tao Besalampy, ny faran’ny herinandro teo. Tafaverina nandritra izay koa ireo omby 50 isa voaroba. Nanafika tanàna iray tao an-toerana, ny andiana malaso. Lasa tamin’izay ireo omby marobe. Tsy vitan’ny nandroba, mbola nitondra takalon’aina roa vavy ireto olon-dratsy. Nanara-dia avy hatrany ny polisy niaraka tamin’ny fokonolona nanenjika ny dahalo. Tsy very maina ny herim-po fa tafaverina tamin’ ny tompony ireo omby nangalarina. Avotra soa amantsara kosa ireo nalaina an-keriny.
Henintsoa H.