Feo miavaka ! Tantara mahasarika… Anisan’ny nahafantarana an’i Ulick Andriamanantena ireo. Fantatra fa nodimandry, omaly, ity andrarezin’ny kanto malagasy ity. Ny filalaovana tantara fandefa amin’ny Radio no tena nahafantarana azy. Saika nahenoina ny feony ny ankamaroan’ny Radio eto an-dRenivohitra mandefa tantara, Ankoatra izay, nanatontosa tantara maro ihany koa izy teo anivon’ny Radio nasionaly malagasy.
Ilay feo manambitamby, mananatra, hentitra, tsy mora kivy, sns, no tena nanavanana azy. I Ulick Andriamanantena ihany koa no niandraikitra sady nanolotra ny fandaharana «Soratra sy teny, raiso ka vakio», tao amin’ny RNM. Anisan’ny tia sy mankamamy ny asa soratra rahateo izy. Araka ny nambaran’ireo namana sy mpanoratra ary poeta nifanerasera taminy : «manoro sy mampita fahaizana sy traikefa ho an’ny tanora hatrany izy teo amin’ny sehatry ny tantara».
Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.
HaRy Razafindrakoto