Misy ny olana eo anivon’ ny tontolon’ny fitsarana. Eo ny vola sy fitaovana ary ny tsy fahampian’ny olona. Miisa 42 ny fitsarana ambaratonga voalohany manerana ny Nosy. “Rehefa natao fitsinjarana ny asa araka ny isan’ny mpitsara: any amin’ ny 158 antontan-taratasy isan-taona ho an’ny mpitsara am-perinasa tsirairay avy, raha ny salanisa ankapobeny. Kajy ambony latabatra izay, fa rehefa jerena io: mety misahana antontan-taratasy 1 000 isa ny mpitsara iray ao anatin’ny herintaona. Tsy vita mora izany antontan-taratasy 1 000 izany”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François. Teny Anosy, taorian’ny fotoam-pitsarana famaranana ny taom-piasana 2022 sy fanombohana ny taom-piasana 2023, ny faran’ny herinandro teo no nilazany izany. Manoloana ny olana, maro ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fitsarana mba hamahana izany. Misy ny fanampiana ataon’ny minisitera ny fanofanana mpitsara eny amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG). Eo ihany koa ny famatsiana fitaovana ny fitsarana, ny fanofanana mpitsara am-perinasa.
R. Nd.