Hajo Andrianainarivelo: “Aoka ho sahy hijoro ka hiteny ny tsy mety”

Namboly hazo teny Alakamisy, Ambohidratrimo ny antoko Malagasy miara-miainga, ny asabotsy teo. Lahatenin’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo ny resaka politika sy ny raharaha anatin’ny antoko.

Nanentanana ny tsirairay mba hanaraka hatrany ny fizotry ny raharaham-pirenena, ny filohann’y antoko MMM. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fa­nomanana ny fifidianana. “Aoka isika ho sahy hijoro, hilaza ireo tsy mety amin’ny fanomanana ny fifidianana. Samy hanaramaso ny fanomanana”, hoy izy. “Tsy mahafa-po ny fanatanterahana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Antony nahatonga ny MMM nanambara ny lesoka teo anivon’ny Ceni izany. Tokony ho sahy hilaza ny lesoka avokoa ny rehetra”, araka ny nambarany.
“Antoko velona sy ma­nana ny maha izy azy eto amin’ny firenena ny MMM. Porofo ny fahavitan’ny kongresi-paritra, sy ny fihao­nana amin’ireo vahoaka eny ifotony, ary nampahafantarana ny vinan’ny antoko. Adidin’ny antoko ny mi­haona amin’ny mpiantsehatra isan-tsokajiny sy mihaino azy ireo hanatsarana ny fiainan’ny antoko”, araka ny nambarany hatrany.

Taom-pandresena

Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny MMM fa ma­nana andraikitra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny antoko ka antony hanatanterahana ny fambolen-kazo isan-taona tahaka izao. “Zava-dehibe ihany koa anefa ny fikojakojana azy. Miaina amin’ny fikojako­jana ny tontolo iainana ho tombontsoan’ny tanin-janaka rahateo ny antoko”, hoy izy namarana ny lahateniny.
Naneho ny fahavono­nany amin’ny fandraisana an­draikitra amin’ny raharaham-pirenena ny mpikam­bana eo anivon’ny antoko. Samy nanitrikitrika fa ho taom-pandresena ny 2023. Marihina fa, maherin’ny 3000 ny zanakazo novolen’ ireo mpikambana maherin’ny 1000 tonga teny an-toerana. Anisan’izany ireo olom-boafidy MMM, ahitana ben’ny Tanàna sy mpanolontsaina ary depiote, miaraka amin’ ny loholona.

Synèse R.

Partager sur: