Hamafisin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ny sehatry ny jono, izay mamelona olona 1,5 tapitrisa. Am-polotaonany maro, raha ny fanadihadiana nataon’ny minisitera tsy nisy firindran’asa teo amin’ny sehatry ny jono ka nampisy olana. Koa misokatra ho an’ny mpisehatra rehetra ny minisitera manomboka izao.
Jerena akaiky atao mangaraharaha ny fifanarahana momba ny jono isam-paritra. Ny minisitera rahateo anisan’ny voalohany aty Afrika mpikambana ao amin’ny «Fisheries Transparency Initiative», sampana iraisam-pirenena falain-tahaka amin’izay lafiny mangaraharaha izay. Jeren’ny minisitera ny rafitra manatsara izany miaraka amin’ ireo minisitera hafa.
«Efa nisy ny ezaka vita tao anatin’izay roa taona izay», hoy ny minisitry ny Jono, Dr Mahatante Paubert. Saingy hafa ny fahitan’ny minisitra, hafa ny an’ny mpanjono izay mahatsiaro tena fa mbola manjaka ny sasany. Ohatra, ny faritra natokana ho azy ireo mbola tsy tsara fiarovana ny maro.
Ndrina