Niala tao Constantine ny Barea de Madagascar, omaly. Namonjy an’i Alger, renivohitr’i Algerie, hanatontosana ny lalao manasa-dalana rahampitso. Nitondra ny delegasiona malagasy, ny fiaramanidin’ny kaompaniam-pitaterana Air Algerie.
Tsiahivina fa ao amin’ny kianja Nelson Mandela, kaominina Baraki, ny kianja hanaovana ny lalao. Hifanandrina ny Barea de Madagascar sy ny Lions de Teranga, Senegal. Manomboka amin’ny 10 ora alina eto Madagasikara ny lalao. Nitsodrano ny mpilalaon’ny Barea, ny tomponandraikitra tao amin’ny hotely nitoerany. Mamy hoditra any an-toerana ny ekipa malagasy, ka nisy mihitsy aza ny nanatitra azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina.
Fitia (Mpianatra asa)