Ankoatra ny efa nahafantarana azy amin’ny tolotra omena ny mpanjifa amin’ny fandefasana sy fangalana vola ary fanavaovana petra-bola, manohy ny hetsika ara-tsosialy sy ara-toe-karena ary ara-panatanjahantena ihany koa ny Mvola. Eo amin’ny lafiny ara-panatanjahantena, mikasa hanangana kianja “multisports” miisa 4 toy ny eny Analamahitsy sy eny Anosizato ny Mvola. Hitohy hatrany ihany koa ny fanohanana ny fanatanjahantena malagasy sy fanomanana ireo tanora hitantana sy hikarakara ireo kianja hatsangana, amin’ny alalan’ny M’Hetsika, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneraly vaovaon’ny Mvola, i Louis-Olivier Favot, ny asabotsy teo teny Andraharo. Ambasadaoro 2023 i Miotisoa sy Mathias M’ Madi . Nambaran’ity Tale Jeneraly ny Mvola ity ofisialy ihany koa, ny sabotsy teo, fa i Miotisoa sy i Mathias M’Madi no ambasadaoron’ny Mvola amin’ity taona 2023 ity. I Miotisoa izay mpiangaly ny taranja tenisy ary efa voahosotra ho tompondaka an’i Afrika imbetsaka. I Mathias M’Madi kosa ilay mpanao basikety malagasy Namiratra nandritra ny Afrobasket ny taona 2022 ka mbola hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany U19 amin’ity taona 2023 ity.
Mi.Raz