Ramaroson Jean Michel : « Taonan’ny basikety ny 2023»

Miandry ny taranja basikety amin’ity taona 2023 ity ny fifaninanana iraisam-pirenena miisa 5 be izao. Nitondra fanazavana mahakasika ny fanomanana izany, ny filohan’ny federasiona, Ramaroson Jean Michel.

-Gazety Taratra: Mave­satra ho an’ny federasiona malagasy ny basikety ity taona 2023 ity, eo amin’ny lafiny fifaninanana iraisam-pirenena, ahoana ny fiatrehana izany?

*Ramaroson Jean Michel: Taonan’ny basikety ity taona ity, hiatrika fifaninanana goavana ny taranja basikety, fiadiana ny tompondaka eran-tany miisa 2 (U19 lehilahy sy 3×3 Seniors lehlahy), fifanintsanana “mondial” vehivavy (3×3), “Jeux de la Francophonie”, Lalaon’ny Nosy ary ny Afrocan. Mavesatra ny fandaharam-potoana saingy efa niomana el any Fmbb. Efa nanomboka tamin’ny volana desambra ny fanomanana ho an’ny U19 lehilahy, hanomboka ny volana febroary izao kosa ny eo amin’ny 3×3.

-Manao ahoana ny vintana ho an’ny malagasy amin’ireo fifaninanana ireo?

*Tsy an-jaza ny fifaninanana miandry ny ekipa malagasy, ekipa goavana sy manana ny maha izy azy avokoa ny mifaninana, ka tsy ho atao ambaninjavatra ny fanomanana raha tsy te hitsanga-menatra.

-Hafatrao ho an’ny mpanohana sy ny mpiaramiombona antoka

*efa manao ny ezaka rehetra ny federasiona hahafahan’ireo mpilalao miatrika fifaninanana irasaim-pirenena toy izao, na izany aza manaitra ny sain’ny mpanohana sy ny mpiaramiombona antoka, torak’izany koa ny Minisitera sy ny komity olympika malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: