Ao anatin’ny taona iray, manatanteraka seho goavana roa ny Smk Obus School (S.O.S), na ilay toeram-pampianarana dihy an-tanan-dehibe, niorina tany amin’ny taona 2016. Ho an’ity taona 2023 ity, notontosaina, omaly, teny amin’ny CCI Ivato ny andiany voalohany. Maherin’ ny 250 ireo nandray anjara izay nahitana ny sokajin-taona zaza, ankizy ary ny tanora
(7 ka tramin’ny 29 taona). «Manana toeram-pampianarana 14 izahay. Mpianatra avy amin’ireo izy 250 mahery ireo. Tsy avy eto an-dRenivohitra ihany fa eo koa ny avy any Imerintsiatosika, Arivonimamo. Ankoatra izay, miara-miasa amina sekoly maro ihany koa ny S.O.S. Anisan’izany ny Iscam, Ecole primaire française,…», hoy i Njiva, mpitantana sady mpanorina rahateo ny S.O.S.
Tamin’ny ankapobeny, naneho ny fahaizany mifehy ny fiangaliana ny dihy an-tanan-dehibe ireo mpandray anjara teny an-toerana. «Tao anatin’ny taona maromaro, tsy mbola tafapaka loatra teo anivon’ny fiarahamonina malagasy ny dihy an-tanan-dehibe. Anisan’ny ezaka imasoan’ny S.O.S sy ny seho tahaka izao ny hampahafantatra sy hampivelatra azy io», hoy hatrany i Njiva.
Imasoan’ny Smk Obus School amin’izany ny fanehoana fa tsy dihy tsotra fanao eny an-dalambe akory ny dihy an-tanan-dehibe fa misy zavatra azo sintonina ao anatiny. Tazana ao ny fanabeazana, ny fanajana ny tena sy fanajana ny hafa. Dihy manokatra toe-tsaina vaovao tia mifanampy sy mifankatia ihany koa ny dihy an-tanan-dehibe sady afaka mifandray amina kolontsaina hafa.
Fantatra fa any ho any amin’ny volana septambra ny andiany faharoa amin’ity seho lehibe ity.
HaRy Razafindrakoto