Notontosaina ny asabotsy 28 jaoary 2023, ny “Taom-baovao” ho an’ny fianakaviamben’ny IFM na Institut Français de Madagascar. Fotoana nifampirariana soa sy nanaovana jery todiky ny taona lasa. Fotoana nampahafantarana koa ny drafitr’asa kolotoralin’ity ivotoerana ity ho an’ny taona 2023. Tonga maro nanome voninahitra ny lanonana ny fianakaviamben’ny IFM isaky ny sokajiny avy, indrindra ny mpikambana.
Ho an’ny taona 2023, hitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana ara-koltoraly, izay efa niara-niasa taminy hatramin’izay. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiratiana, ny fampisehoana, ary ny hetsika lehibe sy atrikasa isaky ny karazany avy. “Misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa ao anatin’ny tanjona fampiroboroboana ny kolontsaina.”, hoy i François Maugrenier, Tale mpitantana ny IFM.
Lin (Mpianatra asa)