Ny 24 sy 25 janoary 2023 teto Antananarivo ny atrikasa fanamafisana traikefa sy fampahafantarana bebe kokoa momba ny tsenam-barotra Agoa* sy ny fepetra takina amin’izany. Fiaraha-miasa amin’ny Usaid / ATI (Africa Trade and Investment).
Atrikasa nokarakarain’ny komity iombonan’ny minisitera maromaro : ny varotra, ny asa, ny toekarena (fadin-tseranana) ary ny tontolo iainana. Nifampizaran’ireo teknisianina matihanina avy ao Afika Atsimo traikefa sy fahalalana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina manodidina ny Agoa. Maro ireo tsy miankina namaly ny antso naneho ny fahavononana hiditra amin’ny fanondranana mankany amin’ny tsenam-barotra lehibe.
«Maniry izahay eo amin’ny fanondranana mankany amin’ny tsenam-barotra goavana tahaka ny any Etazonia ho fanohanana ny mpandraharaha ara-barotra ivelany. Manantena ny fanohanana avy amin’ny minisitera misahana ny varotra hamoha ny varavarana sy hanamora ny fikarakarana taratasy hahafahana misitraka izany», hoy ny solontenan’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara na ny GFEM.
65 % ireo lamba naondrana
Laharana fahatelo i Madagasikara amin’ny Agoa amin’ny fihariana lamba manokana, trandrahin’ireo faritra afaka haba, manome asa manodidina ny 7000. 65% ireo vokatra naondrana. Andrasana hivelatra amin’ny vokatra hafa ankoatra ny lamba ny fanondranana ataon’ i Madagasikara.
Naroson’ny Tale jeneraly misahana ny varotra sy ny fanjifana sady Filohan’ny komity miandraikitra ny Agoa, Razanakoto Isidore, ireo vokatra hafa afaka misitraka ny fanondranana mankany Etazonia sy Afrika Atsimo, toy ny lohamenaka (huiles essentielles), vokatra sakafo avy amin’ny zava-maniry, asa tanana, lavanila, kafe ary jirofo.
Isan’ny nandray anjara nandritra ny atrikasa ny avy ao amin’ny Sendika malagasy misahana ny fambolena biolojika (Symabio) misehatra eo amina fihariana maro. Efa manondrana vokatra manodidina ny 24.000 t isan-taona izy ireo ary maniry hisitraka izany tsenam-barotra amerikanina sy any Afrika Atsimo ihany koa hivelaran’ny varotra ivelany.
Ndrina
Agoa* : African growth opportunities act