Nitondra fanazavana mikasika ny vola valin-kasasarana “primes” omen’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF), ny Barea de Madagascar, omaly, tetsy Isoraka, ny filohan’ny federasiona, Andrianony Victorien sy ireo mpiara-miasa aminy. Nambarany fa tsy mbola naharay taratasy avy amin’ny CAF milaza ny tarehim-bola marina, izy ireo. Na izany aza, notsindriany mazava tsara fa hizara ara-drariny sy hatao mangarahara izany rehefa tonga ka ireo mpilalao sy ny “staff” no hisitraka izany. “Raiamandreny izahay ka tsy hanao an-kilabao ny zanaka, mahazo matoky ny rehetra fa handeha ara-drariny ny fitsinjarana io vola io, izay 3 volana aorian’ny fahavitan’ny lalao vao ho tonga nefa miankina amin’ny fomba fiasan’ny CAF, izany», hoy izy.
Nitondrany fisaorana ny rehetra nanambara mialoha ny fisian’ny “primes”. Mariky ny fitiavana, izany. Ankoatra izay, notolorany fisaorana manokana ny rehetra nanampy ny Barea de Madagascar, ka nahatafitana amin’izao dingana izao. Fahombiazana, izay sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra malagasy. Anisan’ireny, ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, nampitaovana ny Barea. Teo koa ny fanohanana ara-bola, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny federasiona. Mbola manentana ny rehetra ny tenany, hanohana ny Barea ka hitondrana ny amboara mody eto Madagasikara.
Nankasitrahany manokana ny mpanazatra, tamin’ny zava-bitany izay fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra.
Tompondaka