Base Toliara: «Nomen’Andriamanitra harena izahay », hoy ny Loholona Tsiebo Mahaleo

Naneho hevitra ny loholon’i Madagasikara, voafidy, Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Aminy, maro ny ezaka tokony hatao hampandrosoana an’i Toliara. « Niangaran’Andriamanitra izahay, nomeny tany lonaka, rano, harena ambanin’ny tany. Aminay, tsy manome zavatra hamono olona ny Mpahary, ka isan’izany ny fasimainty tokony hotrandrahin’ny orinasa Base Toliara ».

Notsorin’ny loholona Tsiebo Mahaleo, fa hitondra fampandrosoana any Toliara ny fampiasam-bola hataon’ny Base Toliara. Sady hampiakatra ny harin-karena faobe (PIB) ho an’ny firenena. Maherin’ny 4.600 ny asa mivantana sy tsy mivantana hiforona. Efa misy ny bokin’andraikitra mandrindra ny fepetra tokony harahiny. Ao anatin’izany ny fanomezana vahana ny malagasy, izay 90%-n’ny mpiasa, ary hatao laharam-pahamehana ny mponina any an-toerana.
Nambaran’ny loholona koa fa manana fandaharanasa sy fampiasam-bola manokana ity orinasa ity amin’ny lafiny sosialy. Toy ny fananganana se­koly, toera-pitsaboana, vo­von-drano, sns. «Aminay, tena mahalala ny zava-misy ary mamaly ny filan’ny mponina ity orinasa ity. Tafiditra ho isan’ny ivon’ny fampandrosoana (pôle de développement), ka hitarika ny fampiasam-bola hafa any Atsimo Andrefana», hoy ihany izy.

Tanora sy vehivavy
Nomarihin’ny senatera Tsi­e­bo Mahaleo, fa manana tombondahiny ny Base Toliara miohatra ny orinasa mpampiasa vola vahiny hafa. Satria mahazo traikefa ho an’ireo efa teto talohany izy. Manome lanja ny ta­nora koa ity tetikasa ity, toy ny nandefasana ireo 25 mianadahy niofana tany Kenya, nandritra ny roa taona, ka nahazo mari-piofanana iraisam-pirenena. Om­e­ny vahana koa ny vehivavy, izay ny 50%-n’ny tamin’ireo niofana tany ivelany ireo. Izany hoe, voahaja ny miralenta, araka ny voarakitry ny Fan­daharanasa fisandratan’i Ma­da­gasikara (PEM). Voasoratra ao anaty velirano 7-n’ny filoham-pirenena ny lafiny rano sy ny angovo. Manatanteraka ny velirano faha-9 koa ny sehatry ny fambolena.
Nofintinin’ny loholona Tsi­ebo Mahaleo, fa «manaiky ny Base Toliara, ankehitriny, ny maro an’isa, toy ny vahoaka, ny olom-boafidy, ny manam-pahaizana, ny olobe, ny fikambanana samihafa. Koa, mangataka amin’ny fanjakana hanokatra indray orinasa ity, satria efa tena sahirana ny mponina any an-toerana».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: