COI: manatsara ny tontolon’ ny asa aorian’ny Covid

Mampanao fiofanana isa­ky ny firenena momba ny fa­na­tsarana ny asa Ny COI (Com­mission de l’Océan In­dien). Ao anatin’izany ny fi­za­hana akaiky ny sehatra tsirairay ha­hazoana toromarika eo amin’ ny fiaraha-miasa. Ma­­nohana izany ny Agence française de développement (AFD), ny Organisation internationale du travail (OIT) sy ny Cap Business Océan In­dien.
Misy vondrona manam-pahaizana hetsehin’ny COI avy amin’ny Expertise France mizaha manokana ny fizahantany, tontolo an-dranomasina, asa vaventy, ary fambolena. Fa­nampin’ireo ny misahana ny fa­hasalamana eo anivon’ny COI. Ny Cap Business Océan Indien kosa manamora ny fidirana amin’ny teknolojia avolenta.
Am-polony maro ny olo­na andrasana, mpitantana, mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina. Ny fandraisan’anjaran’izy ireo no hamaritana paikady, fampitahana tombontsoa sy mifameno an’ireo tany mpikambana. Fitaovana iray lehibe amin’ny fanarenana ny toekarena sy sosialy iza­ny aorian’ny Covid.
Naneho firaisankina amin’ny Malagasy ny COI noho ny fahamaroan’ny tsy an’asa. Ny fiantraikan’izany amin’ny mponina sy ny fotodrafitrasa, manambara fa tandindonin-doza hatrany ireo Nosy manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Ndrina

Partager sur: