Dibo-drano: Be loatra ny vinany any Maroantsetra

Anisan’ny toerana dibo-dra­­no foana ao Maroantsetra re­­hefa misy ny androratsy ma­ndalo ao Analanjirofo. Ara­ka ny fandinihan’ny tompon’ an­dra­ikitra any an-toerana, ny fi­sian’ny vinany na “embouchure” betsaka manodidina ny to­e­ra­­na ny antony mahatonga iza­ny. Tafiditra ao i Maro­an­tse­­tra, Ra­­tambe ary Mananara Ava­ra­tra. Tampina vokatry ny fa­sika avy any an-dranomasina ireo vi­­nany any an-toerana. Tsy am­py ny fivoahan’ny rano any an-dra­nomasina rehefa misy ny rotsak’orana ka miteraka ny ra­no miandrona ao amin’ireo vinany.

Miisa roa ny vahaolana maharitra mba hialana amin’ ny dibo-drano lava any an-toerana. Voalohany, ny fanalana ny fasika any amin’ny vavavinany raha ny nambaran’ny tompon’ andraikitra. Sarotra ny fanatanterahana ny asa fa tsy maintsy atao raha tiana ny hialana amin’ny dibo-drano. Tsy mijanona sy mitoby amin’ny toeran-kafa intsony ny rano fa mivantana any an-dranomasina avy hatrany. Faharoa, esorina ireo nosy madinika manodidina na ao anatin’ny vinany. An­isan’izany, ny vinany mankany Maroantsetra. “Anisan’ny mi­ba­hana ny rano tsy andeha ho an’ny an-dranomasina ny fisian’izany” hoy hatrany izy. Marihina fa efa naroso tamin’ ny filoham-pirenena, ny ministeran’ny Atitany ary ny praiministra. Hiandrasana ny valinteny sy fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana, hoy ha­tra­ny ny fanazavana.

Tsiahivina fa anisan’ny nahazo takaitra mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Che­ne­so teto amin’ny Nosy i Vava­va­tenina, Analanjirofo, Fenoarivo Antsinanana, ary Mananara Avaratra.

Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: