Ampahany amin’ny asan’ny fadintseranana ny mampahafantatra ny tompon’entana amin’izay tokony hatao. Ny entana mahazo mivoaka sy tsy mahazo, mahazo miditra na tsia. Izany no atao mba hisorohana ny kolikoly ao anatin’ny fadintseranana, mankalaza ny faha-200 taona.
Misy fepetra maro ampahafantarin’ny fadintseranana ho an’ny mpandeha tsirairay mivoaka any ivelany ny amin’ny tokony harahina, ho mariky ny fanarahan-dalàna. Ohatra ny fitondrana vola vahiny mihoatra ny 1000 hatramin’ny 10 000 euros, misy fepetra maro amin’ny antsipiriany ny fanambarana atao amin’izany. Ny volamena, mila fahazoan-dalana avy any amin’ny Anor*, toy izany koa ny vatosoa, mila fahazoan-dalana avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany.
Misy fepetra tsy maintsy arahina daholo, araka ny namaritan’ny ladoany azy, ny fitondran’ny mpandeha isanisany fotsimbary, lavanila, kafe, jirofo, tongolo, poavra. Miampy hena, trondro, hazan-dranomasina hazo voarafitra, firavaka ho an’ny mpizahatany. Ilàna fahazoan-dalana ireo ary ny lanjany no mametra azy. Ny biby (alika, saka…) ilàna fahazoan-dalana manokana avy amin’ny veterinera manamarina fa vita vaksiny. Voarara kosa ny fitondrana zava-maniry na biby atahorana ho fongana sy zava-mahadomelina, toy ny rongony.
Fiaraha-miasa
Politikan’ny ladoany ny manavao ny fitantanana ao aminy, iarahana amin’ireo mpiara-miasa, toy ny GasyNet, DHL, Paositra, Giz, International monetary fund, Usaid … mampitombo ny vola miditra amin’ny fanjakana. «Fanarahana izay rafitra fisokafana sy fifanakalozana izay no mahatonga anay manatsara hatrany ny zava-bitan’ ny ladoany ho tombontsoan’ ny rehetra”, hoy ny tale jeneraly, Lainkana Zafivanona Ernest.
Ny paikady manaraka 2020-2023 dia ny fanavaozana ny fitantanana hatrany, manana tamberin’andraikitra, ary mitondra ny anjarany ho fampandrosoana ny firenena. Ny andraikitry ny fadintseranana amin’izany dia ny mampitombo ny vola miditra, fampandrosoana ny toekarena amin’ny alalan’ny varotra ara-dalàna, fiarovana ny olom-pirenena sy ny ady amin’ny kolikoly, ary ny tambajotra iasana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Tazonina ireo paikady nofaritana ireo ho an’ny efa-taona manaraka, indrindra fa ny fadintseranana dia anisan’ ny miantoka ny kitapombolam-panjakana.
Anor* : Agence nationale de l’or