Nanomboka tamin’ny taom-pianarana 2021-2022, nampiditra fandaharam-pianarana vaovao ho an’ny kilasy T1, T2, T4, T5, T7, ary T8 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tafiditra anatin’ny tetikasa fanohanana ny fampianarana ambaratonga fototra (PAEB),izany. Nampiharina tamin’ny sekolim-panjakana sy sekoly miahy tena 192 ny fandaharam-pianarana ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto amintsika. Tsy nisy mihitsy ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana ho an’ny sekoly malagasy tao anatin’ny 30 taona ka nahatonga ny minisitera mpiahy nitondra fanatsarana ny rafi-pampianarana manomboka amin’ny T1 ka hatramin’ny kilasy famaranana. Nafototra amin’ny mpianatra ny fizarana ny fahalalana ahafahan’izy ireo manana saina mamakafaka sy mandinika manoloana ny olana iray. Hapetraky ny minisitera miandalana amin’ny Cisco 18 hanaovana andrana ny fanavaozana ny rafi-panabeazana manomboka any Antsiranana II hatrany Ampanihy. Efa nofanina mialoha amin’ny fampiasana ity fandaharam-pianarana vaovao ity ny mpanabe rehetra voakasika. Nidina ifotony teny amin’ireo toeram-pampianarana nanaovana ny andrana ny tekniasina nanombana ny fahombiazany sy ny fanatsarana tokony hatao mialohan’ny hanapariahany azy manerana ny sekoly rehetra eto Madagasikara.
Vonjy A