Fanentanana ny mpifidy: midina ifotony ireo tanora Tim

Midina ifotony, mitety tanàna sy isam-baravarana ireo tanora Tim. Manentana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, izy ireo, amin’izany ary mampirisika koa ny hanarahana maso izany. Eo koa ny fanamarinana ny anaran’ireo mpifidy anaty lisitra. Niain­ga avy amin’ny toromariky ny birao politika izany hetsika fidinana ifotony ataon’ireo tanora Tim sy ny mpikatroka eo anivon’ity antoko, naorin-dRavalomanana ity.

Anisan’ny nanao izany ny herinandro teo ary mbola mitohy amin’izao andro farany izao ny any Toliara. Na­tomboka tao amin’ny fokotany Tsimenatsy. Tahaka izany koa ny hetsiky ny mpitarika ny Tim ao amin’ny boriborintany III. Nanao fanentanana ireo olona hiditra ao anaty lisi-pifidianana hatramin’ny anio.
Aoka tsy ho leo politika
Mametraka ny teny faneva ny Tim etsy amin’ny boriborintany fahaefatra, amin’izany : “Tanora mandray andraikitra ho an’ny firenena”. Hatreny amin’ny distrikan’Atsimon­dra­no, notarihin’ny depiote Ra­tsim­bazafy Alain. Nanao hetsika fanentanana ny olom-pirenena handray andraikitra ka hisoratra anarana ao anaty lisim-pifidianana koa ny tanora Tim Fianarantsoa . Namba­ran’ izy ireo tamin’izany fa adidintsika ny manara-maso ny fifidianana ary zontsika ny mifidy. “Raiso an-tanana ny hovianao, zonao ny mifidy ary ny misoratra anarana adidy. Aoka isika tsy hiteny hoe leo politika. Ho aiza isika sy ny firenena raha leo politika? Mila mijoro isika fa hery ahafahantsika mitondra fanovana sy fanarenana an’izao fahalovana iainan’ny firenena izao “, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: