Fikambanan’ny ben’ny Tanàna, faritra Atsinanana : mangataka ny mbola hirotsahan’ ny filoha Rajoelina hofidina

Nanao tohivakana ny fanambarana. Anisan’ny naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra ny hiatrehana ny fifidianana ny any amin’ny faritra Atsinanana. Niray feo izy ireo amin’izany.

“Nifanome toromarika sy nanapa-kevitra ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna ao anatin’ny faritra Atsinanana, faritany Toamasina, fa mangataka ny mbola hirotsa­han’ny filohan’ny Repoblika hofidina indray amin’ny fifidianana manaraka eo”, hoy ny loholonan’i Madagasikara miahy ny faritany Toama­sina, i Manasoa Donat Tang, tao anatin’ny fanombohan’ ny taom-pambolen-kazo tany Ilaka Atsinanana, distrikan’i Vatomandry, faritra Atsi­na­nana, tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Mitodika any amin’ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izy amin’ izany, araka ny nambarany. Teo ireo ben’ny Tanàna 91 ato amin’ny faritra Atsi­na­nana, ireo ben’ny Tanàna miisa 20 avy any Alaotra Mangoro, ireo ben’ny Tanà­na maro avy amin’ny faritra Analanjirofo.

Manao ranolava ny fangatahana
Mitondra ny tenin’izy ireo ny tenany, satria namory azy ireo. Nifandinika sy nifandresy lahatra ary nanapa-kevitra izy ireo, fa mbola misy tany ivelany no nampidirina an-trano ny amin’izay fangatahana ny filohan’ny Repoblika izay mba hirotsa-kofidina indray izy.
Tsiahivina fa efa maromaro sy nanao ranolava ireo fi­kambanana sy antoko politika, efa nanao fanambarana ary mirona sy maneho hevitra amin’ny fangatahana ny hi­rotsahan’ny filoha Rajaoelina Andry indray amin’ny fifidianana filoham-pirenena, amin’ ity taona ity. Anisan’ny efa nanao izany ny TGV eto Antananarivo Renivohitra. Eo koa ireo fikambanana hafa, tahaka ny Ifi….

R. Nd.

Partager sur: